<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>A. Dresse</author>
<lyrics>[V1]
 Mba tarihonao,
 Tompo ô ! izahay,
 Fantatray fa mpivahiny ;
 Izahy ankehitriny ;
 Any aminao
 No honenanay.

[V2]
 Mafy ny manjo,
 Reraka ao am-po ;
 Na dia be ny ady aza,
 Tsy ho ketraka ny fonay ;
 Any aminao
 No halehanay.

[V3]
 Alahelo be,
 Ranomaso koa,
 Azon'ny fakam-panahy,
 Saiky resin'ny devoly ;
 Fa ny Sandrinao
 Iankinanay.

[V4]
 Any aminao
 No honenanay ;
 Ry Mpitari-dalan-tsara ;
 Mba tarihonao izahay re,
 Hahatongavanay
 Any aminao.</lyrics>
<title>Mba tarihonao Tompo o izahay FFPM583</title>
<hymn_number>583</hymn_number>
</song>